Raha natao resaka mangingina sy tao anaty tahotra ny resaka manodidina ny kolokolo fahiny dia toa lasa fanamby indray izany amin’ny izao.Na dia izany aza dia eo ihany ilay fakam-panahy kely izay mbola fahazarana tsy afaka amin’ny besinimaro.Eo indrindra no mitondra ahiahy kely eny anelankelan-trano toa ny hoe:”tena mandeha araka ny hitsiny tokoa ve inty zavatra inty?” .Ny zava-nisy tato ato mantsy dia toa ireny madinika ireny ihany no tena injadian’inty sazy momba inty kolikoly inty.Manahirana ihany mandinika ireo “olom-panjakana ambony tsimaty manonta” mangalatra, mandroba,manidry ny eo ambany fahefany, tsy misy resaka, tsy misy korana,ka nvita mangina fotsiny ny raharaha.”ny raharaha momba ilay olona maty nohon’ny fifanjevoana toa amin’ny Doany dia tsy misy tohiny mihintsy” hoy ilay rangahy lehibe iray nanatrika ny zava-misy.Koa apetraka ny fanontaniana hoe:”aiza,ho aiza avy izany rehetra izany?” mba tsara aloha mba hazavaina ireo ambaratongan-tsiambaratelo azo avoaka na tsia.
METY HO VOKA-DRATSINY
Efa fantatra hatrin’ny ela fa mpandala ny fihavanana ,fiaraha-monina ny Malagasy hatrin’ny ela,ka mampanahy indrindra ny mety hitotonganan’io haren-tsaina io toa ny tontolo iainana maintso fahiny teto amin’ny nosy,ka ho kaohan’ny riakan’ny fifanenjehana,ny fifankahalana inty raharaha inty,ka mahatonga ny fisainan’ny sasany manao toa ny tenin’ny ohabolana hoe:”tsy aleo ve adalan’ny tena ho tafiana….?” Tokony iaraha-mandinika izany rehetra izany,indrindra ny fiarovana ireny olona mpitory ireny,ny tombon-tsoany,nyfianakaviany sy ny hoaviny.Raha ny eto MAHAJANGA ohatra dia anisan’ny mandala itony antsoina hoe:”jirany”,ka na dia tsy mpihavana sy iray tsy fiaviana aza dia mifanao soa sy mifankatia mihoatra irony olona nifamaky rà irony.Araka izany,asa lahy efa voadinika avy izany rehetra izany sy ny fiantraikany avy,sy ny hanarenana ireny olona voadona tampoka ireny ve?inoana fa hitondra zava-tsoa tokoa inty ady amin’ny kolokolo inty,ka hitondra ainga vao hoan’ny toe-karena eto amin’ny nosy.